FANDOM

2,054,169 Pages

StarIconGreen
LangIcon
Hanaraka Anao

This song is by Mahaleo and appears on the live album 35ème Anniversaire: Live À L'Olympia (2008).

Hanaraka anao, toa ny aloka
Ka tsy hifandao raha tsy andro tena maloka
Fa raha mbola misy, tara-pahazavana
Tsy hiala teo mihitsy aho raha toa mbola tamana(2)

Tsy andriko intsony, ny andro maraina
Azahoako hifoha, hamonjy anao ry aina
Ka tsy hiala teo indray, raha tsy ny andro no hariva
Rehefa injay ny masoandro iva dia iva (2)

Izaho anie ka zaza, tsy mahasara-dreny
Hanaraka anao, eny rehetra eny
Ianao irery no afaka, hampitony ny tomany
Raha toa ho solafaka, ianao no hanarina ahy hatrany(2)

Ny vavan'ny sasany,tsy ahoako intsony
Fa ny fitiavantsika no asandratro ambony
Ka ny vavaka atao,dia ny mba aharitra hatrany
Aharitra tokoa anie,zany fiarahtsika izany(2)

External links

Community content is available under Copyright unless otherwise noted.